airtel

Fandriampahalemana

14-févr-2023

Fandriampahalemana

Asana zandary Tena saro-pady, mitaky fahavononana

Sample post image

Anisan’ny asa saro-pady ny asa fitandroana ny filaminana ka ilaina fahavononana hoy ny SEG ny Jeneraly Serge

14-févr-2023

Gellé omaly taorian'ny 96 andro nanatanterahany ny tapany voalohany amin'ny fiofanana izay nifototra tamin'ny fiofanana ara-miaramila nomeny ireo mpianatra an’arivony niofana tao amin’ny EGNA Ambositra. Nihatrana ambany faneva omaly mantsy ireo mpianatra ho zandary nofaniny ireo dia ny andiany faha-77. VASIA (Volonté, Action, Succès, Intelligence, Amitié) no anarana nisaloran’izy ireo raha mahatratra 1.498 kosa ny isany. Miisa 217 ny vehivavy, raha 1.281 kosa ny lehilahy ankoatra ireo nitsoaka an-daharana. Ny Jeneraly Andriatsarafara Rakotondrazaka Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena no Ray mpiahy ity andiany faha-77 ity. Nisy ny famindrana ny fiambenana ny faneva ny sekoly ho an'ireto andiany ireto. Nofaranana tamin'ny matso lehibe, nandraisan'ireo mpiandraikitra sy mpianatra anjara ny lanonana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny famoahana ireo mpianatra zandary omaly tany Ambositra
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap