Nisokatra ny fanadihadihana nanomboka teo, ka tamin’ny Talata 08 Novambra rehefa nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mivarotra pieces-na Bajaj tany an-toerana ka avy hatrany dia napetraka ny paik’ady sy velam-pandrika izy ireo. Roalahy no sarona nandritra izany ka mbola hita tao amin’izy ireo ilay Bajaj very tany Amborovy saingy efa voazarazara ho pièces détachées mba hoamidy tsikelikely. Rehefa natao moa ny fanadihadihana azy ireo dia samy nihaiky helony avy izy roalahy. Marihina anefa fa mbola misy naman’izy roa ahy ireto mbola henjena izay fantatra fa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Rehefa tapitra tanteraka ny fanadihadihana azy ireo dia fantatra fa hatolotra ny Fitsarana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy