kaominina ambonivohitra Befandriana avaratra, mpivarotra omby. Ny antony fisamborana dia noho ny fahitana "patente" amin'ny anaran'i Mara Mandignazy, mipetraka ao amin’ny fokontany Mangokely, kaominina Ambanivohitra Marovoay. Ity farany dia efa niditra am-ponja noho ny famotsiana sy fivarotana omby halatra tao Marovoay, araka ny angom-baovao hatrany. Omby 12 isa no nentiny namidy ka ny 4 tamin'ireo dia efa lafo an-tsokosoko tany ivelan'ny tsena, raha mbola nisy 8 kosa nentiny tao an-tsena Sabotsibe Befandriana avaratra. Misoratra amin'ny anaran’i Mara Mandignazy ny 7 amin'ireo omby ireo raha misoratra amin'ny Zahasoa kosa ny iray. Tsy misy fanomezam-pahefana tamin’i Monja sy ny namany hivarotra omby amin'anaran'i Mara Mandignazy io. Tsy mifanaraka amin'ny FIB ny laharan'ny kavina amin'ny omby. Ireo pasipaoro avy any Namakia nitondrana ireo omby ireo dia Tsy misy fitomboka sy sonia. Ireo fitomboka sy sonia amin'ny taratasy fampivarotana dia i Monja no manao izany amin'ny sonian'i Mara, izay halatra sonia. Vokatr’ireo zava-mitranga ireo dia notanana amin'ny valan'ny kaominina Ambanivohitra Morafeno ireo omby 8. Nampandrenesina ny manampahefana rehetra tao an-toerana. Natao andrimaso ireo tompon'antoka tamin'ny fanaovana famotsiana omby ary hanaovana ny famotorana. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela, izy ireo, aorian’ny fanadihadiana lalina, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nambaran’ny Kaomandin’ny kaompania Mandritsara, ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana fa « tao anatin’ny iray volana dia in’efatra sahady ny resaka famotsiana omby saron’ny zandary tao an-toerana. Noho izany, hentitra izahay ny amin’ny tsy maintsy hamongorana hatrany ifotony ireo mpanao famotsiana omby halatra, hoy izy.
J. Mirija
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe