airtel

Fandriampahalemana

05-oct-2022

Fandriampahalemana

Behoririka Mpangarom-paosy 9 no indray tratra

Sample post image

Ankoatra ny eny Isotry sy Petite Vitesse dia anisan’ny toerana tena be mpangarom-paosy ihany koa ny eny Behoririka.

05-oct-2022

Nisy ny angom-baovao azon'ny Polisy mikasika ny fisian’ ireo andian’olona mivelona amin’izany mihitsy ary mangarona ny paosin’ireo mpiantsena eny Behoririka. Nanao fanamiana sivily ireo Polisy niasa teny an-toerana tena ka sarotra soa amantsara izy ireo. Dimilahy no indray tratra ambodiomby nanao ny asa ratsiny raha 04 kosa voasambotra rehefa fantatra fa mpiray tsikombakomba sy mpangarom-paosy izay naman'izy ireo ihany. Efa natao fanadihadiana moa izy ireo ka fantatra fa mamelom-bady aman-janany avokoa ary io asa fangaronam-paosy io no tena velon-tenany isan’andro. Raha tsiahivina dia misy Renim-pianakaviana niaraka tamin’ny zanany mirahavavy ihany koa mivelona amin’ny asa fangaronam-paosy eto an-drenivohitra ka teny Mahamasina manataka poketran’olona izy ireo no tratra.
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap