airtel

Fandriampahalemana

06-nov-2023

BETAFO

Jiolahy roa nanafika mpandraharaha lavon’ny bala

Sample post image

Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ireo jiolahy etsy an-daniny mihamahery

06-nov-2023

setra ihany koa toy ny zava-nitranga tany an-tampon-tananan’i Betafo ny faran’ny herinandro teo. Jiolahy manodidina ny 7 no nikasa hanafika mpandraharaha iray tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Basim-borona vita gasy iray, bala kalibra 12 miisa 5, antsy lavalela sy fibara be iray no nentin’izy ireo. Efa fantatr’ireo zamdary any an-toerana anefa ny fisian’izy ireo ka miisa 6 ireto farany niandry ny nandalovan'ireo jiolahy. Nipaika tokoa ny tamin'ny 9 ora alina, tena nandalo ireo jiolahy. Nomena fampitandremana mba hijanona izy ireo nandritra izany saingy tifitra avy hatrany no setriny. Mba nitifitra ihany koa ny zandary noho izany ka roa avy hatrany no taraiky tsy nisy solika intsony ny vatany. Lasa nitsoaka nirifatra kosa ireo namany miisa 5 izay mbola karohina hatramin’ny omaly hariva fotoana nahazoanay ny vaovao.
Pati
Legende : Misy hatrany ireo jiolahy mahazo tapakila mandeha any amin’ny varo tsy mifody !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap