dia lasibatra daholo ihany koa ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro vao napetaky ny kaominina. Efa mihoatra ny 100 no very hatreto raha araka ny fanazavany omaly antony manosika azy sy ny ekipany tsy hanohy izany intsony fa hiezaka hametraka ny jiron’ny JIRAMA amin’ireo tokantrano mbola tsy manana izany sy ireo elakelan-trano manazava ny lalana falehan’ny mponina isan-kariva. Notsindrian’ity Ben’ny tanana ity manokana moa fa vokatry ny tsy fananan’asa avokoa no manosika ireo tanora ao Alasora handroba sy hangalatra tahaka izao, tranga izay hiainan’ny faritra maro eto amintsika. Ho an’ilay tovolahy tratra farany teo ohatra dia nentiny nilokana ny vola azony tamin’ny halatra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro nataony teny an-toerana. Na izany aza ireo Fokontany tsy mametraka ny andrimasom-pokonolona no nambaran’ity Ben’ny tanana iray ity fa tena ahitana izany. Ho an’ireo fokontany miezaka manaja sy mametraka io rafitra io kosa dia vitsiana ireo lasibatra, antony mbola hanaovan’ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana fanentanana hatrany. Manampy ihany koa mantsy izy ireo fa tsy mipetra-potsiny saingy any amin’ireo fokonolona no tena herin’izany.
Pati
Zazalahy kely varira iray indray tamin’ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa hita faty tany amin’ny distrikan’i Belo Sur Tsiribihiana.
Tsy mandry fahalemana intsony ny tanana eto amintsika. Ankoatra ireo mpanendaka sy mpamono olona dia lehilahy miisa roa 43 taona sy 40 taona indray no fantatra fa nangalatra cageot,
Hotanterahina anio alatsinainy 05 jona taona 2023 ny fanadinana fiodinana faharoa hidirana ho polisim-pirenena. Araka ny fandaminana dia
Polisy manao fanamiana sivily amin'ny 4 ora maraina manao fisafoana any anaty elakelan-tranon'Anosibe no nifanehitra tamin'ireo andian-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana,