airtel

Fandriampahalemana

11-sept-2026

Cocaïne 2,5 grama

miampy vola 80 tapitrisa Ar no sarona

Sample post image

Olona 3 naiditra am-ponja tao Sambava

11-sept-2026

Olona miisa 3 no nidoboka am-ponja vonjimaika tao Sambava, Faritra SAVA taorian'ny fanolorana fampanoavana azy teo anivon'ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao an-toerana afak’omaly 09 Septambra noho ny raharaha tambajotra zava-mahadomelina maherivaika na Cocaïne. Raha tsiahivina kely ny tantara dia telolahy no voasambotry ny avy ao amin'ny Groupe d'appui à la Police Judiciaire (GAPJ) tao SAVA tamin'ny resaka fivarotana sy fanaparitahana io zava-mahadomelina mahery vaika io ka notanana natao fanadihadiana ny 07 Septambra teo. Zava-mahadomelina Cocaïne milanja 2,5 grama sy vola mitentina Ariary valo-polo tapitrisa (80 000 000 Ar) azo tamin’ny fivarotana izany no nogiazana nandritra ny raharaha ka araka ny fanapahan-kevitry ny Tonia Mpampanoa Lalàna, dia naiditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo lela-vola 80 000 000 Ariary ireo. Ireto telolahy ireto moa no niditra am-ponja vonjimaika saingy amin'ny maha-tambajotra azy ity dia mbola maro ny mety mbola ao ambadiky ny raharaha ka dia tsy mijanona hatreo akory ny fanadihadiana fa mitohy ary hohatevenina. Manentana ny olom-pirenena tsirairay avy mba hifanome tanana hampita vaovao raha misy mahatsikaritra tranga mifandray amin'izany ny mpitàndro ny filaminana. Tsiahivina fa mpanao hatsikana ny iray amin’izy telo mirahalahy ireo. ́
Nangonin’i Pati
Legende : Izy telolahy efa manohy ny fiainany any am-ponja !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap
17-sept-2026

Novonoina vao nariana tao, famonoana efa nomanina »

Card image cap