Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena na ny DGPN Contrôleur Général de police Tsaramonina Ravony, fa tena hamerina hanasazy ny Fanjakana, ny Fanjakana tsy misy lalàna tsy Fanjakana, izany no antom-pisian’ny mpitandro filaminana. Tsy azo leferina, hoy izy ny hoe: aza miasa ny mpitandro ny filaminana, ny polisy mavo satroka,... Nohizingizininy fa tsy mety amin’ny olom-pirenena vanona ny mahita mpitandro filaminana tsy manasazy manoloana ny fandikan-dalàna. « Asanay ny mampihatra lalàna sy manenjika ny mpandika lalàna. Fiaraha-monina ny antsika, mba hemerenana ny fifampitokisana ho an’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka, ny mpanao fitaterana, dia natsahatra 6 volana ny PR (Police de la Route) araka ny toromariky ny minisitry ny filaminam-bahoaka, fa tao anatin’izay dia nanao fanabeazana, ka 6 volana be izao, ao anatin’izay mbola misy fandikan-dalàna, mbola misy taksibe mandika lalàna, ka efa mafy atoka izany », hoy hatrany ny DGPN. «Fandaminana no atao, horaisinay ihany koa ny andraikitra raha misy endrika kolikoly raha tena misy, ary horaisina ny fanasaziana satria tsy miompy jiolahy ny polisy,… Raha izay ny olana tsy voatery higrevena, mila mifampifampiresaka. Manana bokin’andraikitra ihany koa ny mpanao fitaterana, ka mba firy ny manatanteraka ? Iza aminareo mianakendry ireto ? Izay aminay polisy no milaza azy ho marina, ka izay tsy nanota no aoka hitora-bato », hoy izy naneho fa samy tompon’andraikitr. Niaiky izy fa misy ny polisy tsy mendrika, ary misy amin’ny mpitatitra ny mandika lalàna. Hijery ny tsy mety ao aminy ny polisy, fa niantso ny mpitandro ny mpanao fitaterana handika lalàna. Nanipika fa tsy ekena ny baranahina, ary tsy Fanjakana ny Fanjakana tsy misy lalàna. Nahoana, hoy izy, no atao alohan’ny fetim-pirenena, aza manaiky atao fitaovana politika, marina fa zonareo izany, ary izaho filohan’ny sendikan’ny polisy ihany koa, fa misy fotoanany ny zava-drehetra, mipetraha amin’ny maha olom-pirenena. Tsy maintsy mametraka ny fampiharana lalàna ny polisim-pirenena, ary hanasazy izay manao tsy mety ao aminy. Niantso ny mpitatitra hanaja ny bokin’andraikitra sy hifampitaiza ihany koa ny DGPN.
Toky R