Hividy entana taty Antananarivo ny tovolahy iray, hoy ny fanazavàn’ny fianakaviany omaly. Avy any Tsiroanomandidy ity tovolahy ity no tonga teto Antananarivo kanjo lasan’ny tsy mataho-tody teo Andrefan' Ambohijanahary ny vola 11 tapitrisa Ariary sy solosaina fitondra mandeha na «Ordinateur portable» iray ary finday miisa 4. Mitotaly 16 tapitrisa Ariary ny volany ilay very omaly. Mila mailo foana eto Antananarivo fa tena misy olona tsivalahara eto, hoy hatrany ny fianakavian’ity tovolahy ity. Raha ny fanazavàn’ilay tovolahy dia fandraikiraikena no nahavoazan’ireo olon-dratsy azy. Na ny nialàn’ireo entana tety amiko aza, hoy izy, tsy tsapako akory. Efa elaela aho vao tonga saina ary nivenjivenjy toy ny adala mihitsy avy eo, hoy hatrany ity tovolahy ity.
Nangonin’i J. Mirija
Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana