Raim-pianakaviana iray mpivaro-kena no fantatra fa voaendaka omaly Talata 02 Septambra tamin'ny 04 ora sy sasany maraina nanoloana ny biraon'ny zandary etsy Anosizato Andrefana, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Nanapoaka basy in-3 ireo jiolahy hoy ny vaovao ka naratra vokatr'izany ilay Raim-pianakaviana voaroba. Tsy nisy sahy nihetsika namonjy azy kosa ny manodidina noho ny tahotra ka rehefa lasa ireo jiolahy vao niezaka nitondra ilay niharam-boina tany amin'ny hopitaly. Ny tananany sy ny vatany moa no voa tamin'ity mpivaro-kena ity hoy ny vaovao saingy tsy misy ahiana ny ainy. Handeha haka entana maraina izy no izao sendra ireo mpanao ratsy izao. Anisan'ny nampametra-panontaniana ny mponina eny an-toerana ny hoe : taiza ireo zandary niasa tao amin'ity birao etsy Anosizato ity no tsy nisy nivoaka nanao ny asany nanoloana io fanafihana niaro poa-basy io ? Teo anoloan'ny biraon'izy ireo mihitsy anefa no nitranga ilay fanafihana ? Aiza ho aiza amin'izany ilay andraikitra hoe : "hiaro ny Vahoaka sy ny fananany" hoy ny olona. Andrasana izay valin-tenin'izy ireo mahakasika ity tranga ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Hay tsy milamina na dia eny akaikin'ny toerana misy ny biraon'ny zandary tahaka izao aza ?
Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana