Omaly Talata 25 May no nankalazana izany tamim-pomba ofisialy raha diabe sy fanolorana faneva ny filoha nasionaliny kosa no nanokafana ny fankalazana teto Antananarivo tamin’ny Alatsinainy 22 may lasa teo. Fandresena, fahaizana ary fahendrena moa no teny faneva nentin’izy ireo nanamarihana izany. Tonga nanotrona izany tany an-toerana Rtoa Ranaivojaona Sylvia izay Reny mpiahy ny AET no sady filohan’ny fikambanana Perfect Madagascar. Notsiahiviny nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa fikambanana tsy mialonjafy ny Perfect Madagascar.Misokatra amin’ny rehetra izy no sady afaka miara-miasa amin’ny rehetra ihany koa, ao anatin’ilay tanjona hampandroso sy hampivoatra ny firenena. Hisy moa ny hetsika goavana hotanterahin’izy ireo amin’ny volana aogositra na jolay ho avy izao mbola tafiditra ao anatin’izay asa sosialy himasoany izay ihany.
Pati
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny AET otronon-dRamatoa Sylvia Ranaivojaona, filohan’ny fikambanana Perfect Madagascar
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe