ilay lehilahy lehibe iray mpamatsy rongony ireo tanora mpianatra any an-toerana. Zandary miisa 4 no nidina ifotony nisambotra io lehilahy lehibe io ka sarona teo am-pivarotana rongony mihitsy. Sigara voarara miisa 45 fonosana (baomba) milanja 250 g no tratra teo aminy.Tovolahy iray 19 taona monina any amin'ny Fasan-karana ihany koa no nahatrarana fonosan-drongony miisa 10. Olona miisa roa miampy rongony 55 fonosana milanja 260 g no notazonina natao famotorana ary efa niakatra fitsarana noho izany. Mbola karohina kosa ireo mpamatsy azy ireo izay marihina fa tazonin’ireo olona tratra ho tsiambarantelony hatrany amin’ny ankapobeny na dia efa any am-ponja aza izy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy mianaka mpamatsy rongony ny manodidina azy no sady mpanapotika firenena !
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,