airtel

Fandriampahalemana

30-oct-2024

FAMATSIANA RONGONY

Rangahy lehibe iray tratra tao an-tsenan’i Behenjy

Sample post image

Ela ny ela fa tratra tao amin’ny tsenan’i Behenjy tamin’ny Sabotsy 26 Oktobra teo andro tsena

30-oct-2024

ilay lehilahy lehibe iray mpamatsy rongony ireo tanora mpianatra any an-toerana. Zandary miisa 4 no nidina ifotony nisambotra io lehilahy lehibe io ka sarona teo am-pivarotana rongony mihitsy. Sigara voarara miisa 45 fonosana (baomba) milanja 250 g no tratra teo aminy.Tovolahy iray 19 taona monina any amin'ny Fasan-karana ihany koa no nahatrarana fonosan-drongony miisa 10. Olona miisa roa miampy rongony 55 fonosana milanja 260 g no notazonina natao famotorana ary efa niakatra fitsarana noho izany. Mbola karohina kosa ireo mpamatsy azy ireo izay marihina fa tazonin’ireo olona tratra ho tsiambarantelony hatrany amin’ny ankapobeny na dia efa any am-ponja aza izy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy mianaka mpamatsy rongony ny manodidina azy no sady mpanapotika firenena !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap