Tao anaty taxi-brousse iray no nahatrarana azy ireo ka milanja 21 kilao ilay rongony raha tao anaty bidons miloko mavo miisa 6 kosa ireo toaka gasy niampy ravim-paraky milanja 60 kilao. Loharanom-baovao mari-pototra no efa azon'ny Polisy mahakasika ny fisian'izy ireo ary efa natao daholo ny velam-pandrika rehetra ka nahafahana nisambotra azy telolahy ireo. Teo amin'ny sakana nataon'ny Polisy teo Andrimbavontsona port-berge izy ireo no tratra, raha tsiahivina. Efa notazomina any amin’ny biraon'ny Polisy ilay rangahy 31 taona izay nitondra ireo zava-mahadomelina ireo niaraka tamin'ny soafera sy ny soaferan’ny mpanampy nitondra ilay taxi-brousse.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy sy ireo rongony nentiny !
Ramatoabe iray 71 taona no fantatra fa voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,