mahakasika ny resaka zava-mahadomelina izay nataon'ny SUT Tsaralalana. Enina tamin'ireto voasambotra ireto dia vehivavy avokoa ary 15 taona sy 16 taona ny zandriny indrindra amin'izy ireo raha 45 taona ny zokiny indrindra. Efa nigadra teny Antanimora tamin'ny resaka rongony ihany ny iray tamin'izy ireo izay nivoaka tamin'ny taona 2022 ka izao tra-tehaka izao indray. 205 fonosana no tra-tehaka tany amin'ireto vehivavy ireto izay mpamatsy rongony an'ireo faritra voalaza etsy ambony ireo. Nandritra ny fisavana ny tranon'izy ireo dia mbola nisy nahatratrarana rongony 2 fototra izay hambolen'izy ireo. Miisa 3 ny lehilahy voasambotra nandritra ity hetsika fanadiovana ity ka 23 taona ny zandriny indrindra raha 34 taona ny zokiny indrindra, ireto farany izay fantatra fa samy teo am-pifohana rongony avokoa no tratra teny Anosibe sy Andrefan'ambohijanahary. Efa nigadra ny iray tamin'izy ireo noho ny resaka halatra ary nivoaka ny fonja ny taona 2020 ka izao mamerin-keloka izao indray. Natolotra ny fampanoavana omaly 23 janoary ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika ny 4 amin'izy ireo, izay vehivavy miisa 3 ka lehilahy ny iray.
Pati
Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.
Avotra soa aman-tsara ilay tovovavy 19 taona nisy naka an-keriny ny 4 janoary 2023 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomisa, distrikan’Anjozorobe, raha ny fampitam-baovao voaray.
Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.