airtel

Fandriampahalemana

03-mars-2025

Famonoana an-dRasazy Narindra

Maty ny tokony ho vavolombelona miisa roa

Sample post image

Tohin’ny hetsika fampandriana fahalemana nataon'ireo mpitandro filaminana ka nahitana ny

03-mars-2025

fandraisana anjaran'ireo miaramila teo anivon'ny fari-piarovana sy filaminana Tsiafajavona, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena tany an-toerana, dia lavo ireo dahalo roalahy anisan'ny nandray anjara ka nahafaty ny ben’ny tanànan’i Mangataboahangy tany amin'ny Distrikan'Ambatofinandrahana, herinandro lasa izay, hoy ny fampitàm-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Ireto dahalo voatifitra ireto dia nitazona fitaovam- piadiana maherivaika 1 na "Fusil d'Assaut" sy «boîte chargeur» 1 miaraka amin’ny bala miisa 3 sy basim-borona 1 na «fusil de chasse» hita tao amin'ny kaominina ambanivohitr’Itremo, distrikan'Ambatofinandrahana, izay nahasahy nanohitra ka niteraka fifandonana tamin’ireo hery fiarovana sy filaminana na "Forces de Défense et Sécurité" na FDS. Mitohy hatrany ny hetsika fampandriana fahalemana sy ny fitadiavana ireo olon-dratsy nahavanon-doza ato anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ataon’ireo mpitandro filaminana miaraka, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Miisa 2 aloha izany no lavo tamin’ireo neverina fa tokony ho vavolombelona hitoroka ny tena aditohan’iny famonoana ben’ny tanàna nitranga ny herinandro teo iny. Ny maty tsy miteny intsony, hoy ny fomba fiteny izay. Asa hoe hanao ahoana ny tohiny. Sanatria ho maty momoka tahaka ny raharaha Ratsimandrava ve?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap