airtel

Fandriampahalemana

01-déc-2023

FAMONOANA AN’I NTSOA VHF

20 taona sazy mihatra ny an’ilay mpamily, 7 taona ny an’ilay vehivavy

Sample post image

Nivoaka omaly Alakamisy 30 Novambra ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha famonoana an’i Ntsoa

01-déc-2023

ao amin’ny tarika VHF izay nisy namono , volana maromaro lasa izay. 20 taona sazy mihatra ny an’ilay mpamily nanindrona antsy azy raha 7 taona sazy mihatra kosa ny an’ilay vehivavy niaraka taminy. Afaka madiodio ilay vadin'i Ntsoa noho izany. Afaka noho ny fisalasalana kosa ireo olona telo hafa notanana am-ponja vonjimaika. Tsiahivina moa fa efa ela no nangataka ny mba hivoahan’ny didy mikasika ity raharaha ity ny fianakavian’i Ntsoa sy ireo namana aman-tsakaizany. Vita ihany izany ankehitriny, didy izay nambaran’izy ireo fa tena nankininy tanteraka tamin’ny fahendren’ny fitsarana. Ilay hira tsapako tena mamy, moa raha tsiahivina no hira nampahalaza an’Itompokolahy Ntsoa faramparany izay niarahany tamin’ilay vehivavy nahazo sazy mihatra 7 taona an-trano maizina io.
Pati
Legende : Na efa nody vovoka aza i Ntsoa dia mbola mipetraka ho fahatsiarovana foana ny hira nohirainy !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap