airtel

Fandriampahalemana

18-nov-2022

Fandriampahalemana

Famonoana an’i Tsoa VHF Ny sakaizany ihany no heverina fa nahavanon-doza

Sample post image

Omaly alakamisy no niakatra teo anivon’ny fitsarana etsy Anosy ny olona 4 mianadahy voarohirohy ho namono nahafaty an’i Tsoa ao amin’ny tarika VHF.

18-nov-2022

Madama sipany fahiny, ary lasa mpiara-miasa aminy ny iray, mpamily amin’ny asa fandraharahana hiarahan’izy sy io madama io ny iray, mpiambina ny tananany ao Nanisana ny iray raha mbola mpiasan’izy ireo ihany koa ny iray. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia efa niaraka nampiara-peo tamin’i Tsoa indray mandeha io Madama io ary efa manam-bady aman-janaka. Nifankatia izy ireo nandritra izany fa avy eo nisaraka. Taty aoriana anefa dia lasa tany amin’ny asa fandraharahana kokoa ny fiarahana saingy mbola tao ihany ilay fitiavana. Ny fivarotana kitay sy saribao no nimasoan’izy ireo nandritra izany ary tena niroborobo fatratra tokoa.
HASAROTAM-PIARO, TOMBOTSOA
Taty aoriana kely anefa dia nanana fiainana manokana i Tsoa. Naniry ny mba handeha hikopak’elatra irery ihany koa izy tamin’ny asa fandraharahana nataony ka mety tsy nahafaly an’ilay Madama, raha ny fantatra. Nanomboka niketrika ity farany nandritra izany ka tsy namelany raha tsy matiny i Tsoa. Teo aloha ilay hasarotam-piaro , fa teo ihany koa ny fiarovana tombontsoa. Ilay fiara golf miloko vonim-boasary no fantatra fa nentin’Itompokolahy farany, ary tamin’izay no novonoina izy. Nafindran’izy 3 mirahalahy ireo tao anatin’ilay fiara Rexton izy rehefa tapitra ny ainy, fiara izay nomarihin’ireo havan’i Tsoa akaiky fa samy an’i Tsoa avokoa. Raha araka ny fantatra mantsy dia nikasa hividy fiara camion double pont Itompokolahy talohan’ny nahafatesany saingy nanjavona ilay vola ary mbola tsy fantatra hatreto izay naka azy. Raha tsiahivina kely dia tamin’ny talata 08 novambra lasa teo no hita ny vatana mangatsiakan’i Tsoa efa nisy dian’antsy impito, tranga niseho teo amin’ny tetezan’Ambohimanarivo Talatavolonondry. Feon-javatra nidoboka be no nanaitra ny manodidina ka nahitana ilay fiara Rexton nisy ny nofo mangatsiakany efa nisy namarina tany an-kady. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany moa dia nanatrika ny fiandrasam-patin’i Tsoa, mbola nandevina azy io madama io ankoatra ny « publication » nataony toy ny hoe : tena lasa tokoa ve ianao, non tsy mampino…..
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap