tokony ho tamin’ny 5 ora, no naharay fampandrenesana ny Polisim-pirenena mahakasika ny vehivavy 36 taona novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny Fokontany sy Kaominina ambanivohitra Tsaraitso, Distrikan’i Betroka. Tonga tany an-toerana avy hatrany ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny komisarian'i Betroka ary nanomboka ny fikarohana ireo nahavanon-doza.Vokatry ny fanadihadiana sy ny angom-baovao dia lehilahy miisa 3, 29 taona, 28 taona ary 19 taona, no voasambotra tany an-toerana ary niaiky ny heloka nataony nandritra ny famotorana.Nikasa hangalatra ny basin’io vehivavy novonoiny io ireto telolahy ireto ka nahavita izao fihetsika mamohehatra izao. Tamin’ny fisamborana azy ireo dia mbola hita teny amin'izy ireo ny antsy maranitra nampiasaina nanaovana ny heloka sy ny findain’ilay niharam-boina.Natolotra ny fitsarana ireo voarohirohy ny 02 Febroary teo ka naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Betroka.
Pati
Légende : Ireto izy telolahy !
Olon-dratsy 284 voasambotra, 126 fanafihana voasoroka, 1,38 miliara Ar nampidirin’ny pasipaoro,…