airtel

Fandriampahalemana

27-févr-2024

Famosirana ny mpanolana

Mitsivalana mafy ny Tandrefana…

Sample post image

Mitsivalana ny « castration » na famosirana ireo olona voamarina sy voaheloka

27-févr-2024

ho nanao fanolanana zaza tsy ampy taona ny Vondrona Eoropeanina. Vao miresaka Vondrona Eoropeanina dia ny Tandrefana na ny Fianakaviambe iraisam-pirenena mihitsy no azo lazaina fa voafaoka ao. « Tsy mino aho hoe ny famosirana ara-tsimika na ara-pandidiana no tena hany vahaolana mahomby ahafahana manafay ireo mpanolana », hoy i Isabelle Delattre Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina manoloana io sazy eritreretin’i Madagasikara ho an’ny olona voamarina sy voaheloka ho nanolan-jaza tsy ampy taona io. Nanaiky io diplaomaty io, fa tena heloka bevava ny fanolanana kanefa ilaina ny fiadiana aminy amin’ny fomba rehetra amin’ny fomba mendrika an’izay anarany izay. Nomarihiny fa tena toherina amin’ny hery manontolo ny fanolanana, zava-doza mamoafady izay mila toerina amin’ny fomba rehetra mifanaraka amin’ny lalàna, kanefa ny famosirana dia notsipihiny fa mifanohitra amin’ny lalàmpanorenan’i Madagasikara. Tohan-kevitra nentiny tao anatin’io ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-8, izay mamaritra fa « arovan’ny lalàna ny zon’ny rehetra hiaina. Tsy azo atao ny manala ain’olona amin’ny fomba tsy rariny,… Tsy misy olona azo ampahoriana, saziana na ampijaliana amin’ny fomba tafahoatra sy tsy mendrika ary manetry ny maha olombelona,… ». Nanamafy ny tokony hanajan’i Madagasikara ny fifanarahan’ny Firenena Mikambana mikasika ny ady amin’ny fampijaliana io izay nosoniavintsika ny taona 2005 io Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina io. Tsara manamarika fa ny zoma 23 febroary lasa teo no namoaka ny didim-pitsarana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena na ny HCC fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2024/PL mifandraika amin’ny fanavaozana ny fehezan-dalàna famaizana eo amin’ny andininy mikasika ny famaizana manoloana ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Nosokajiana ho mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, saingy maintsy miandry didy fampiharana avy amin’ny Governemanta, ny « castration chirurgicale » na famosirana amin’ny alalan’ny fandidiana ihany no tazonina, tsy maintsy manaraka ny fepetra manaja ny zon’olombelona,… Raha aravona kosa dia ilay « castration » mihitsy no tsivalanan’ny Eoropeanina. Amin’ny lafiny iray dia manana ny fahaleovantenany ny Fitsarana, ny firenena Malagasy, araka ny fomba firesaka sy voizina foana rehefa manohintohina antsika ny fomba fijerin’ny vahiny sy ny mpiara-miombon’antoka. Misy ary tsy takona hafenina rahateo fa tena zava-doza ny firongatry ny fanolanana satria raha ny tatitry ny Minisiteran’ny Fitsarana ny herinandro lasa teo dia efa nahatratra 144 hatramin’ny fiandohan’ny taona 2024, raha toa ka manodidina ny 600 ho an’ny taona 2023. Ny tonga eny amin’ny Fitsarana izany, fa ireo sarontsaronana eny amin’ny amin’ny fiarahamonina mbola resaka. Hahasahy hidrikina eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena ary ve ny Fanjakana sy ny Filoha ka hiziriziry hiroso amin’ny fampananan-kery sy fampiharana na « promulgation » an’io lalàna io ary ve ny Filoha sy ny governemanta izay vao ny faran’ny herinandro teo no nifampiresaka tamin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF mba hanohana ny Fandaharan’asa ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap