airtel

Fandriampahalemana

18-janv-2021

Fandriampahalemana

Fampihorohoroana eny Ankadifotsy Mpanendaka 3 lahy vopaingotry ny polisy

Sample post image

Faritra isan’izay tratra aoriana Ankadifotsy noho ny tsy fandriampahalemana.

18-janv-2021

 

 

 

Miaina anaty tahotra lemana ny mponina. Misy kosa anefa ny ezaka ataon` ny mpitandro filaminana. Taorian'ny fisafoana nataon'ny Polisy ny boriborintany fahatelo amin'ny alina teny an'elakelatranon' Ankadifotsy sy ny manodidina dia nifanena tamin'ny Polisy ity tovolahy nitondra antsy lava ity saika hanendaka ireo olona mody alina amin'iny faritra iny. Nambarany fa tsy izy irery no manao io asa ratsy io fa miaraka amin'ny tovolahy miisa 02 namany izay natorony ny misy azy ireo. Voasambotra ihany koa ireto namany ireto izay vao 15 taona. Fantatra taorian'ny fanadihadiana fa izy ireo no isany mpanendaka mamono sy mandratra olona eny amin'iny faritra iny. Tsy lavina fa misy ny ezaka ataon` ny mpitandro filaminana saingy mbola misy hatrany ny tsimatimanota ka ny vahoaka no maty tsy manota noho ny tsy fandriampahalemana. Mila miara-miainga avokoa ny fanarenana amin` ny sehatra sy ambaratonga rehetra mba tsy handringa raha tiana no hisy filaminana maharitra.

 

Marigny A.

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap