Olona 5 isan’andro raha kely no fantatra fa voaendaka sy very fananana eny amin’iny faritra Ampasika, Cenam ary Ankasina iny. Misy mihitsy ireo maratran’ny sabatra vokatry ny habibian’ireo mpanendaka. Anisan’ny mitarika azy ireny i Dadandry na RaNationale. Sendra ireo polisy manao fanamiana sivily anefa ity farany izay marihina fa niaraka tamin’ny basy mihitsy . Vokany , tsy tana ny ain’i Dadandry.Tsy tanteraka ihany koa ny asa ratsy saika nataon'izy sy ny ekipany. Nandositra avokoa mantsy ireo namany rehefa nahita azy nitsirara tamin'ny tany nihosin-dra. Tsiahivina moa fa efa mpamerin-kelona ity jiolahy tratra ity. Nitondra faisana avokoa ireo olona tratrany noho izy mitondra fitaovam-piadiana ary tsy matahotra mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Nihena iray ireo jiolahy mpamono olona eto amintsika
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy