mponina hatramin’ny ela sy mpanakana fiara vaventy mpanangom-bokatra any amin’iny lalana Tsiroanomandidy, Belobaka sy Miandrarivo iny. Zandary iray fiara tsy mataho-dalana 4x4 nanao fisafoana andro aman’alina no nifanehitra taminy sy ireo namany miisa 3 notarihin’ny Lietnà Kaomandy lefitra fahatelon'ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Tsiroanomandidy. Tao amin'ny kizo Antsahatanteraka . Fokontany Ambohijangory, kaominina ambanivohitr’i Tsiroanomandidy Fihaonana izy ireo no nifandona. Ireo dahalo indray moa no nampitahotra ny zandary tamin’io fotoana io hoy ny vaovao no sady nitifitra. Mba namaly bontana koa ny ankilany antony nahalavo an’i Tafitabe. Vaky nandositra kosa ireo 3 ambiny izay mbola hifampitadiavana.
Pati
Legende : Feno ny saran-dalan’i Tafitabe mankany ankoatra !
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy