airtel

Fandriampahalemana

18-janv-2023

Fandriampahalemana

Fanafihana magazay tao Tanambe Lehilahy miisa 06 no efa tratra

Sample post image

Lehilahy miisa 06 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Amboasary ny 17 janoary teo tao Beyala Amboasary Atsimo rehefa nanafika tanana.

18-janv-2023

Ny alin’ny 17 janoary teo tokony ho tamin’ny 00 ora sy 05 minitra raha tsiahivina dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambe kaominina ambanivohitra Amboasary Atsimo. Magazay iray mivarotra kojakoja momba ny bisikleta no notafihan’ireto olon-dratsy ireto ka basy vita gasy no nampiasain’izy ireo tamin’izany. Kojakoja mahakasika ny bisikileta maro no voaroba tamin’izany. Vaky nandositra ireto olon-dratsy ary olona tsy lavitra teo nampandre ny Polisy ka raikitra ny fifanenjehana. Tany amin’ny Fokontany Bevala Galois no voasambotra ny lehilahy miisa 05 raha tafatsoaka kosa ny lehilahy iray. Nentina avy hatrany tany amin’ny Birao ireto farany nanaovana fanadihadiana ka nanonona ny toerana mety ahitana ilay naman’izy ary dia voasambotra tany amin’ny fokontany Ankamena ny naman’izy ireo iray. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao.
Pati
Legende : Ireto izy enin-dahy tratra

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap