Filaminam-bahoaka Atsimo Andrefana tao Mahavatse ny 05 may teo tokony tamin’ ny 1ora sy 45mn rehefa nanatanteraka fanafihana mitam-piadiana. Nandritra ny fidinana nataon’ ny Polisin’ny UIR, miasa ao amin’ny kaomisaria Foibe Toliara no nahazoan’izy ireo loharanom-baovao fa misy andian’olona mikononkonona fanafihana mitam -piadiana eny amin’ny faritra Mahavatsy Toliara.Natao ny fanaraha - maso, niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ny mpitandro ny filaminana ka nandritra izany no namaly tifitra tamin’ny basy vita gasy ireo jiolahy. Lavo vokatry ny fifanjevoana ny roa tamin’ireto farany raha nitsoaka kosa ireo namany hafa. Fantatra fa tompon’antoka amin’ireo fanafihana nitranga tany an-toerana hatramin’izay izy ireo. Mbola karohina ireo namany hafa.
Pati
Legende : Ireo jiolahy lavo !
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy