miaramila maro mpiambina mpitondra ambony voasambotra...
Nitrangana ny fanafihana mitam-piadiana narahina fandrobana volabe 73 tapitrisa Ar mahery teny amin’ny pont Ambodihady ny 20 Aprily 2026 tokony ho tamin’ny 11 ora sy 20 minitra. Misy ny loharanom-baovao amin'ny ambangovangony mikasika ity afera ity navoakan'ny mpitandro filaminana. Amin'ireo voasambotra sy voasaringotra, fantatra fa ahitana mpitandro filaminana, izay re fa misy mpiambina olona ambony eto amin'ny Firenena... Ny tatitra avy amin'ny manam-pahefana no nahazoana, fa araka ny fitarainana napetrak’i Rakotoarimanana Harimalala Lahony, mpitantana ny toby Jovenna Hezaka Ambodimita, dia lasibatra ny mpitondra vola iray izay nitondra 73 175 000 Ariary. Vondrono'olona 7 lahy tsy fantatra, niaraka tamin’ny fiara Kia Sorento IMM 019 690 sy moto roa ary mitam-piadiana no nanakana azy, nitondra azy an-keriny ary namela azy teny an-dalana talohan’ny nandosiran'izy ireo nankany Ambohitrimanjaka. Ny fanadihadiana haingana nataon’ny manampahefana dia nahafahana nanondro an’m-dRazafiarison Andriatiana Patrick, fantatra amin’ny anarana hoe Andry na Rapa, ho atidohan'ny ny asa ratsy. Nosamborina izy ny 22 Aprily ary nanonona ny anaran’ireo namany, ka maro tamin’izy ireo no voasambotra. Nivoaka tamin’ny fanadihadiana fa Randrianjaka Dauphin, antsoina hoe Njaka, mpamily citerne ao amin’ny Jovenna, no nanome vaovao momba ny fivezivezen’ny vola. Razafiarison kosa no nikarakara ny fandraisana ireo mpanao heloka ary tamin’ny alalan-dRajaonarison Rina Yolandez, antsoina hoe Landy, dia nifandray tamin’ny vondrona miaramila voarohirohy izy ireo nandritra ny fivoriana tany Alasora ny 19 Aprily 2026. Ny ampitso dia tanteraka ny fanafihana ary taorian’izay no nifampizarana ny vola tany Nanisana, notarihin’ny Adjudant Nasolo Tsilavina Anjara Dieu. Voatonona sy voasambotra ihany koa ireo olona hafa: Andrianantenaina Nambinintsoa Daniel na Nantenaina, RAJAONARISON Rina Yolandez na Landy, Randrianjaka Dauphin na Njaka, Andriatiana Volasoanjanahary Antonia Maria na Maria, Razafiarison Andriatiana Patrick, Adjudant Nasolo Tsilavina Anjara Dieu, Sergent-chef Eloi Pierre, Adjudant-chef Joedassin Mampanenikely, Rasolofoson Delphin, Raharinirina Tolojanahary Olivia, Ramanamilanto Tomponera Alice, Sergent-chef Rahajason Cesairin ary Caporal Soloniaina Andriamampionona. Hatreto dia olona 13 no voatazona sy voalaza fa niaiky ny helony tamin'ity raharaha ity. Tratra ihany koa ny porofo toy ny scooter 3, fiara Kia Sorento IMM 019 690, vola 14 980 000 Ariary ary basy PA Makarov 09 mm misy bala 08. Mbola tsy hita kosa ny Caporal Tombo avy amin’ny CAPSAT/RGP, olona iray antsoina hoe Mami ary solombavambahoaka iray tsy mbola fantatra, hoy hatrany ny tatitra. Ity raharaha ity dia manaitra ny saina amin’ny fandraisan’anjaran’ny mpitandro filaminana sasany amin’ny asa heloka bevava, indrindra amin’ny fanafihana. Somary saropady ihany ity raharaha ity ka andrasana ny tohiny. Tsara marihina ihany koa anefa fa mbola misitraka ny zo tsy maha meloka na "présomption d'innocence" ireo voasambotra sy voarohirohy izay ny mpitandro ny filaminana no namoaka ny anarany, ka andrasana ny raharaham-pitsarana manodidina ity afera ity avo lenta ity...
Toky R