izay ambaran’ny polisy fa jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra. Ny herinandro lasa teo izy no nanafika tokantrano iray tetsy Behoririka ka namoy ny ainy ilay tompon-trano, hoy ny polisy. Tetsy Tsiadana no fantatra fa niafenany ary nidina teny Polisy. Niezaka ny nandositra sy nampiasa ny basy teny aminy ity olon-dratsy, ary voatery nitifitra azy ny Polisy . Vokany , naratra mafy ny tenany ary nitarika hatrany amin'ny fahafatesany .
Toky R
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy