fahana na crédit maromaro no fantatra fa very nandritra ny fanafihana ilay grossiste iray nitranga tao Ambohidrazaka Alasora, distrikan'Avaradrano afak'omaly Alahady 26 Jolay tokony ho tamin'ny 06 ora sy sasany hariva. Jiolahy manodidina ny 5 ka hatramin'ny 8 isa no nanao ny asa fanafihana, niaraka tamin'ny basim-borona sy ny antsy. Tsy miova ny fepetra efa noraisin'ny kaominina Alasora noho izany ary vao mainka mihamafy aza hoy ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tsy azo hatao ny manao famoriam-bahoaka eny ankalamanjana, tsy maintsy misora-bahiny eny anivon'ny Fokontany ny vahiny, ireo mpifindra monina tsy maintsy maka fifindra-monina, tsy maintsy mitondra karatra manga sy ny karapanondrom-pirenena ny mponin'Alasora mba hamantarana azy ireny raha tsy maintsy mivoaka hariva na tara fodiana ary farany izay tsy kely akory dia naverina ny andrimasom-pokonolona hahafahana misambotra ireo mpanao ratsy. Tsiahivina moa fa anisan'ny nampatahotra mafy ny mponina tao Ambohidrazaka ny fahatapahan-jiro nitranga nandritra ity fanafihana ity. Naharitraritra mihitsy izany vao niverina.
Pati