airtel

Fandriampahalemana

16-nov-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana teny Ankadindramamy Fito mianadahy nidoboka am-ponja vonjimaika

Sample post image

Lehilahy miisa 04 sy vehivavy miisa 03 no voasambotry ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahatelo sy fahaefatra etsy Anosy ny Alakamisy 10 sy zoma 11 novambra

16-nov-2022

rehefa nanao fanafihana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana teny Ambohidahy Ankadindramamy ny Talata 08 Novambra teo tokony tamin’ny 11 ora atoandro. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny Ambohidahy Ankadindramamy tamin’io andro io. Jiolahy miisa 03 no nanafika tamin’izany. Vehivavy iray ary lehilahy miisa 02. Nisy naniraka izy ireo fa misy vato sarobidy hamidy ao amin’io trano io. Rehefa tafiditra tao anefa izy ireo dia nandrahona ilay tompon-trano tamin’ny basy. Nodarohan’ireto jiolahy ilay tompon-trano ka lasan’izy ireo ilay vato sarobidy ary lasa izy ireo nirifatra nitsoaka. Nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ny Polisy moa ity olona voatafika ity ka niroso tamin’ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy avy hatrany ny Polisy. Ny Alakamisy 10 novambra teo dia voasambotra teny Ambodirano Ivato ny lehilahy iray izay marihina fa ati-doha nikotrika ity fanafihana ity satria izy dia olona mifandray tanteraka amin’ilay tompon-trano voatafika. Voasambotra niaraka taminy ihany koa ny vehivavy iray teny Ankadikely Ilafy izay tompon’antoka tamin’ilay fanafihana. Ny zoma 11 Novambra teo kosa no voasambotra i Rasta teny Andranoro Antehiroka izay tompon’antoka tamin’ilay fanafihana ihany koa no sady nitondra ilay basy Poleta. Mbola tra-tehaka teny aminy ilay basy. Niara-voasambotra taminy ihany koa ny vehivavy roa teny Antaninanandrano izay nanafina ilay entana halatra. Mbola tratra tao an-tranon’izy ireo ilay vato sarobidy. Voasambotra tamin’io andro io ihany koa ny lehilahy miisa roa izay tompon’ilay basy sy iraka nanatitra ilay basy teny amin’ireo jiolahy nanantanteraka ny fanafihana. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky ny heloka vitany izy ireo. 36 taona ny zokiny indrindra ary 24 taona ny zandriny indrindra. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika (MD) avokoa izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 7 mianadahy tratra
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap