ny jiolahy miisa 05 ny 24 Aprily lasa teo tokony ho tamin'ny 08 ora 47 minitra rehefa nanakorontana sy nampihorohoro fiaraha-monina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo fitarainana ny Polisim-pirenena mikasika ity tranga mampalahelo any an-toerana ity. Nidina teny amin’ilay tanana voalaza io ambony io ny mpitandro ny filaminana nijery ifotony ny zava-misy. Vao nahatazana ireo Polisy lavitra anefa ireo andian’olona ireo dia nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ka lehilahy miisa roa no voasambotra , ny iray hafa kosa noraisim-potsiny rehefa nisitrika tao anaty trano iray teo amin’ny manodidina .Nitohy ny fisamborana ka izy ireo indray no nanoro ny namany roa hafa. Sarona tao amin'ny toerana antsoina hoe : Antsonasona ireto farany.Fantatra fa ao anatin'ny vondrona antsoina hoe : "Foroche" no misy azy 05 mirahalahy ireto, mpanakorontana fiaraha-monina no sady ao anatin'ny fikambanan- jiolahy any amin’iny faritra iny izy ireo. Efa nandray ny andraikiny mikasika azy 5 mirahalahy ireto moa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ka efa nalefa nofaizina any amin’ny toerana sahaza azy izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy dimilahy mpanakorontana sy mpampihorohoro fiaraha-monina ao Antalaha !
Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana an-tsokosoko no tra-tehaky ny mpiasan’ny
Vehivavy bevohoka iray avy nivarotra, nitondra kodiaran-droa ny Alahady 12 Janoary lasa teo