airtel

Fandriampahalemana

20-févr-2025

FANAOVANA FANAMIANA MIARAMILA

Mbola nisy olona tratra ihany omaly teto an-drenivohitra

Sample post image

Mbola nisy olona tratra nanao fanamiana natokana ho an’ny mpitandro ny filaminana

20-févr-2025

ihany omaly teto an-drenivohitra. Anisan’ireny ny pataloha, satroka, akanjo…Taorian'ny fahataperan'ny fe-potoana fanentanana momba ny fandraràna ny tsy fahafahana manao izany intsony sy ny mitovy aminy dia nidina ifotony ireo mpitandro filaminana eo anivon'ny Emmoreg nanara-maso sy nanentana hatrany ny rehetra. Tamin'ny ankapobeny moa dia efa tsy ahitana fanamiana miaramila hamidy intsony eny an-tsena koa mampahatsiahy hatrany ny mpitandro ny filaminana fa mampigadra sy handoavana lamandy 3 hetsy hatramin'ny 9 tapitrisa Ar ny fanaovana izany ho an’ireo izay mbola tratra.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo olona tratra saingy mbola nanaovana fanentanana fotsiny ihany !

 

Dans la même rubrique