airtel

Fandriampahalemana

13-oct-2022

Fandriampahalemana

Fanaparitahana sary sy anaran’olona Nokianin’ny SMM ny zandary sy ny polisy

Sample post image

Namoaka fanambarana omaly ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM tamin’ny alalan’ny Filohany Mbitanarivo Andriantsihorisoa,

13-oct-2022

 izay miantso ny mpitandro filaminana hanatsahatra tsy misy fepetra ny famoahana vaovao amin’ny haino vaky jery rehetra mikasika ny raharaha mandalo eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena miandraikitra ny fanadihadiana savaranonando. Ny Mpitsara sy ny mpitandro ny Filaminana dia isan’ny antoka ho amin’ny filaminan’ny fiainam-piaraha-monina, hoy ny SMM izay naneho fa manohana tsy misy fepetra ny ezaka lehibe efa ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy amin’ireo fandikan-dalàna rehetra amin’ny ankapobeny. Mendrika ny hiaina tsy misy rahoraho sy am-pilaminana tanteraka ny Vahoaka Malagasy, izay amin’ny anaran’izy ireo no hamoahan’ny Mpitsara ny didim-pitsarana rehetra, hoy ny SMM. Nanamafy hatrany fa mba ho tsotra sy mahitsy ny fiaraha-miasa, tsy maintsy manaja ireto fenitra ireto : ny «subordination hiérarchique» na fanajana ny rafitra isaky ny antanan-tohatra; ny fanajana toy ny anakandriamaso ny “présomption d’innocence” na zo mbola amin’ny maha mbola tsy voaheloka. Mba ahafahana manenjika izay heverina ho mpandika lalàna, ny Mpitandro ny filaminana dia mandray ny fitoriana, manokatra avy hatrany ny fanadihadiana, mikaroka ireo izay heverina ho nandika lalàna ary miroso amin’ny famotorana savaranonando azy ireny, manambatra izay mety ho porofo rehetra mialohan’ny fampiakarana ny raharaha manoloana ny Fampanoavana. Ny Fampanoavana, araka ny antotan-taratasin’ady kosa no mijery sy mandinika ny mikasika ny fanenjehina raha toa ka ampy ny vesatra iampangana, amin’ny alalan’ny famotorana hamehana na koa mitaky manoloana ny Mpitsara mpanao famotorana, izay mahaleo tena, ny handidiana ny famonjàna vonjimaika. Mandritra izany paik’ady rehetra izany dia tsy maintsy manaraka ny toromarika sy ny baikon’ny Fampanoavana ny Mpitandro ny filaminana efa voatondro ho amin’ny andraikitra amin’ny maha-O.P.J (Officiers de Police Judiciaire) azy. Manoloana izany, ny Mpitandro ny filaminana dia tsy maintsy manaja ny “présomption d’innocence” na sy ny zon’ny olom-pirenena tsirairay. Torak’izany ihany koa ny fanajana ny tsiambaratelon’ireo antota-taratasin’ady sasany mba hiarovana ny fizotry ny paik’ady ho amin’ny tena ara-dalàna, hoy hatrany ny SMM.

MISY NY TSINDRY, LASA MITERAKA FANDIKAN-DALANA
Hita sy tsapa niverimberina tato ho ato fa noho ny tsindry ataon’ny manam-pahefana ara-politika sy/na ny manam-pahefana ara-panjakana ary koa ny mba ahazoana vokatra haingana, tsy vitsy ny Mpitandro ny filaminana mamoaka mialoha ny antsipirihin’ny fanadihadiana ireo raharaha izay mbola eo ambany fahefany. Maro ireo olom-pirenena haseho sary mivandravandra manoloana ny tambazotra serasera, olom-pirenena izay mbola misitraka tanteraka ny zony sy ny “présomption d’innocence”, ankoatra ireo izay mety voalaza ho tratra ambodiomby. Maro amin’ireo antota-taratasin’ady tonga manoloana ny fampanoavana anefa no tsy mifanaraka velively amin’ireny fanaparihana vaovao manerana ny haino vaky jery ireny, ary matetika aza dia famotorana savaranonando tsy mahafeno fepetra, fanerena ny toriana hanaiky amin’ny fomba rehetra, eny hatramina tatitra ataon’ny mpahay sy porofo ara-tsiantifika tsy misy akory. Ny fitsarana izay ifaharan’ny asa farany avy eo no lasa iharan’ny fanaratsiana sy ny fanenjehina, hoy hatrany ny ampahan’ny fanambaran’ny SMM.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap