airtel

Fandriampahalemana

27-juin-2022

Fandriampahalemana

FANJAKANA FENO JIOLAHY Solika manjavona, volamena tsy hita, CNaPS ritra,…

Sample post image

Tao anatin’ity Fanjakana Rajoelina ity no nahenoana afera maloto ao anaty Fanjakana betsaka indrindra. Mampiteny ny moana ny kolikoly avo lenta eto amin’ny tany sy ny firenena.

27-juin-2022

Soliky ny Jirama an’aliny litatra manjavona kanefa toa mitady ho afaka mora foana ireo ahiahiana, ny delestazy manjaka saingy misy fitantanana tsy mazava toy ny hoe 1 miliara Ar nanaovana zaridaina,… Ny volan’ny CNaPS tsy mangarahara ny fitantanana azy ary toa loharana amin’ny fomba mihaja, ny Air Madagascar banky ropitra ary ny volabe 5 tapitrisa dolara tokony ho fanarenana aza voalaza fa tsy hita izay tena nalehany kanefa dia afenimpenina ao ny afera, ny famatsiam-bola tamin’ny coronavirus moa dia ny Fitsarana misahana ny kaonty mihitsy no namoaka fa betsaka ny tsy mangarahara tamin’ny fitantanana ny 1818 miliara Ar, io ihany koa fa manjavona ny volamena be any amin’ny minisitera,… Tsy misy afera tsy vaky am-batolampy, tsy olon-tsotra no mahavita an’ireny fa olona manam-pahefana sy ao anaty Fanjakana ka asa hoe: ny jiolahy ve no nahazo fahefana sa efa Fanjakan-jiolahy mihitsy no misy sy ampiharina eto? Taorian’ny volamena an-jatony kilao maro tafavoaka an-tsokosoko tato anatin’ny 3 taona, ny safira efa ho 1kg latsaka sarona teny Ivato ny septambra 2021, raharaha mitana ny sain’ny maro indray ny volamena 36kg mahery nanjavona tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejia. Tena nisy tokoa ny volamena 36,433 kg nanjavona, izay nandritra ny fifamindram-pahefana ny 01 jona 2022 teo teo amin’ny Tale Jeneralin’ny harena an-kibon’ny teo aloha notendrena ny 2020 sy ny vaovao izay notendreny ny 13 aprily 2022 no nahitana an’izany. Efa fanao ny fanaovana “inventaire” eo ny “coffre” ahafahana mamindra ny fanalahidy amin’ny tompon’andraikitra vaovao. Natrehan’ny vadin-tany izany, ka teo no nahitana fa tsy tao intsony ny volamena fa nosoloina karazam-by manodidina ny 22kg eo. Raha tsiahivina, Atoa Fidiniavo Ravokatra no minisitry ny harena an-kibon’ny tany ny 24 janoary 2019 hatramin’ny 15 aogositra 2021, Brice Randrianasolo ny 17-18 aogositra 2021, ny Praiminisitra Ntsay Christian ny 23 aogositra hatramin’ny 16 martsa 2022, ary Olivier Rakotomalala kosa nanomboka ny 16 martsa 2022, izay toa finiavana hanilika any amin’ny fitondrana teo aloha. Misy ny fivoizana fa efa talohan’ny 2019 ny fahaverezana, saingy mahagaga ny hoe : nahoana no aty amin’ny jona 2022 no fantatra. Ny minisitra tetsy andaniny nilaza fa efa fanao na « systèmatique » ny « inventaire » amin’ny fifamindram-pahefana. Tsy midika ve izany fa tao anatin’izao fanjakana izao no nandeha ny afera ? Tompon’andraikitra ambony mandray ny asany ny 2019 ve dia tsy hanamarina hoe: volamena araka ny voalazan’ny taratasy tokoa ve no ao sa zavatra hafa ?
VOATONONTONONA NY MINISITRA RAVOKATRA
Niakatra fampanoavana efa roa herinandro lasa teo moa ity raharaha ity, ka olona 10 no nahiditra am-ponja vonjimaika, nahitana Tale Jeneraly teo aloha miisa 3, Tale teo aloha 2, chef de service, teknisianina,… Nambaran’ny fampahalalam-baovao iray ny sabotsy 25 jona teo, fa tsy ho afa-bela ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Fidiniavo Ravokatra izay minisitry ny rano ankehitriny. Mitady handositra Ravokatra, hoy ny lohateny lehibe. Hivoaka ve ny marina momba ity raharaha ity sa ho vitavita ho azy tahaka ireo afera maro. Tsy vao izao no nisy minisitra, olom-boafidy, tompon’andraikitra ambony voarohirohy amina trafikana harem-pirenena saingy vitavita ho azy hatreto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap