tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fandriampahalemana

Fanolanana fanafihana teny Ambohidroa Ny mpanampy an-trano sy ny mpamily no tompon’antoka

Tena tsy tsara intsony amin’izao ny mametraka fitokisana aman’olona. Na ireo mpamily sy mpanampy an-trano heverina ho tena namana akaiky sy havana aza amin’izao efa mivadika ary tena mahavanon-doza mihitsy.

27-févr-2023

Sample post image

Tsy misy hafa amin’izay ilay tantara niseho teny Ambohidroa ny 19 febroary lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia jiolahy miisa efatra mitondra fitaovam-piadiana no niditra an-keriny tamina tokontrano iray teny an-toerana tamin’io andro io tokony ho tamin'ny 02 ora maraina. Lasa sy voaroban’ireo mpanao ratsy nandritra izany ny finday miisa 10, firavaka volamena ary vola mitentina 200. 000 Ar. Ankoatr'izay dia vehivavy miisa efatra tao amin'io trano voatafika io ihany koa no naolan'ireo olon-dratsy ireo. Rehefa nahare ity tranga ity ny polisy dia nandray ny andraikiny avy hatrany ka nanomboka ny fikarohana ireo olon-dratsy. Voasambotra tamin'izany ny vehivavy iray izay tsy iza fa miasa ao amin'ireo voatafika ihany. Toraka izany koa ilay mpiambina ny tanàna ,ny mpamily izay niasa tao teo aloha niaraka tamin'ny namany anankiray. 37 taona,35 taona ary 28 taona moa ireto farany raha efa 40 taona kosa ilay Ramatoa. Tokony ho malina tsara ny rehetra manoloana ny tranga tahaka itony. Tsy misy tandroka mantsy ny ratsy .
Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy niray tsikombakomba tamin’ilay halatra sy fanolanana
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fandraisana mpitandro filaminana Mila matotra sy hentitra kokoa ny fepetra sy sivana
02-juin-2023

Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,

Card image cap
Polisim-pirenena Olon-dratsy 255 tamin’ireo1442 nosamborina no maty
02-juin-2023

Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.

Card image cap
Ministeran’ny filaminam-bahoaka Foto-drafitrasa 45 no naorina tao anatin’ny efa-taona
02-juin-2023

Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.

Card image cap
Mpanendaka tratra teny isotry Nahitana diana seringue fitsindronana rôrô ny tanany
01-juin-2023

Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.

Voir plus