afak’omaly 21 Novambra. Ny Polisy tao amin'ny CSPD Farafangana no naharay vaovao fa misy lehilahy manaparitaka vola sandoka ao an-toerana. Raikitra ny fikarohana vokatr’izany ka raha vao naharay antso avy tamina tompona kioska Mvola iray tao amin'ny fokontany Fenoarivo avaratra izy ireo tamin’io andro io ihany dia tonga teny an-toerana avy hatrany. Lehilahy iray 27 taona no tra-tehaka niaraka tamina vola 20.000 Ar sandoka mitentina 560.000 Ar nandritra izany. Nentina nanaovana famotorana teo anivon'ny CSP Farafangana izy, raha nogiazana kosa ireo vola sandoka rehetra. Anio no fantatra fa hiakatra fitsarana ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ireo vola sandoka naparitany !
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,
Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.
Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.