Handeha hamonjy fidirana io mpianatra io no narahina lehilahy iray 40 taona moramora avy aoriana. Rehefa variana niantso an-telefaonina ny namany itsy voalohany no sady nihazo ny lalana tsy dia be mpifamezivezy dia nosintonin’ilay Rangahy ny finday teny an-tanany ka lasa nitsoaka izy avy eo.Niantso vonjy ilay niharam-boina noho izany. Ilay mpanao ratsy indray tsy lasa lavitra teo dia nifanehitra tamin’ny Polisy ka noraisim-potsiny. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola tratra teny aminy ny finday miisa roa vao avy norobainy teny an-tanan’ilay mpiantra. Eny Andravoahangy moa no mipetraka ity lehilahy mpanendaka ity saingy izao tra-tehaka manao asa ratsy teny Faravohitra izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanendaka tratra teny Faravohitra
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy