airtel

Fandriampahalemana

01-juin-2026

FASAN'NY KARANA

Lehilahy tratra nitondra rongony 6,8 Kg

Sample post image

Lehilahy iray no sarona nitondra

01-juin-2026

rongony 6,8 Kg teny amin'ny Fasan'ny karana.Ny 27 May atoandro, nandritra ny asa fisafoana mahazatra teny an-toerana raha tsiahivina dia nahatsikaritra lehilahy iray nitondra kitapo sady nampiahiahy ny Polisy miasa ao amin'ny komisarian'i Mahamasina. Nasaina mba hijanona entina hanatona birao ny tenany mba hanaovana fisavana saingy nandositra tampoka ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehana. Tratra ihany ilay lehilahy ary nandritra ny fisavana ny kitapo teny aminy no nahitana rongony milanja 6,8 kilao tao anatiny.Nentina natao andrimaso ilay voasambotra ary misokatra ny fanadihadiana. Manohy ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony sy ny zava-mahadomelina hatrany ny Polisim-pirenena mba hiarovana ny tanora tsy ho roboka amin’izany.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana tratra !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap