airtel

Fandriampahalemana

30-juin-2023

Fandriampahalemana

Fenerive est Tratra nanendaka ilay mpitarika cyclo-pousse

Sample post image

Tsy milamina intsony ihany koa ny fandriampahalemana eny amin’ny distrikan’i Fenerive Est, Faritra Analanjirofo.

30-juin-2023

Efa mirotsaka manendaka ny mponina ihany koa mantsy ireo mpitarika cyclo-pousse. Tao amin’ny tsenan’Ambatoria no nisehoan’izany ny 25 Jona lasa teo. Raha araka ny fantatra dia naka ny porte feuille sy findaina vehivavy iray noentiny ity mpitarika cyclo-pousse ity raha sendra variana itsy voalohany. Tsy vao sambany no nanaovany izao asa ratsy izao hoy ny vaovao. Mody mitarika posy mantsy izy kinanjo manendaka ireo vehivavy entiny no tena asany. Natolotra ny fampanoavana omaly 29 Jona moa no anaolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpitarika cyclo-pousse manendaka ireo vehivavy entiny
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap