airtel

Fandriampahalemana

22-nov-2023

FIANAKAVIANA TE HANAN-KARENA TAMPOKA

Norobainy ny karaman’ny mpiasa 50 tapitrisa Ar mahery

Sample post image

Lehilahy mpiasa amina orinasa iray eny Talatamaty no nanita-kevitra nangalatra ny volabe

22-nov-2023

karaman'ireo mpiasa izay nipirina tao am-piasana ny 15 Novambra lasa teo. Vola nitentina 50. 423 000 Ar no lasany nandritra izany.Rehefa nirava hariva ireo mpiasa dia nanao izay fomba rehetra nijanonana sy niafenana tao am-piasana ity lehilahy ity. Nosaromany baoritra ny lohany . Rehefa lasa avokoa ny olona dia nivoaka moramora izy ary namaky ny vata fitoeran'ny volabe. Hitan'ny ''camera de surveillance '' avokoa ny fihetsiny rehetra noho izany.Ny ampitso maraina niantso ny havany ilay lehilahy ka nomeny an-tsokosoko iretsy voalohany ilay volabe fa izy kosa niverina niasa toy ny mahazatra ihany.Nalevin'izy ireo taorian'izay ity volabe mba tsy hisy hahita. Rehefa vaky anefa ny vata dia nandeha ny fitoriana ary raikitra ny fanadihadiana ka dia noraisim-potsiny ny anaolahy izay mihevitra azy ho tena matsilo saina . Nandritra ny fanadihadiana nataon'ny zandary ao Talatamaty no nahafantarana fa fianakaviany niisa telo (03) no niaraka niray tsikombakomba taminy tamin'ity halatra bevava ity. Ny antony kosa dia mba te-hanan-karena sy hikirakira volabe, hono, izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ny fianakaviany !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.

Card image cap
13-juin-2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

Card image cap
12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap