airtel

Fandriampahalemana

30-janv-2024

Fianakavian’ireo 8 mianaka notifirin’ny miaramila

« Misy ambadika avo lenta, miantso fanadihadiana lalina »

Sample post image

Ny alakamisy 25 janoary 2024 teo tokony ho tamin’ny 7ora latsaka no nisehoan’ny fitifiran’ny

30-janv-2024

miaramila ireo olona 8 mianaka tao amin’ny toerana antsoina hoe Vohintsoa, 2km mialoha ny hidirana ny tananan’i Ikalamavony raha avy aty Fianarantsoa. Tsy mbola nisy ny tatitra ofisialy momba ity toe-draharaha ity avy amin’ny manam-pahefana sy ny mpitandro ny filaminana. Ny vaovao tsy ofisialy kosa no namoaka fa voatondro ho dahalo sy nambara ho nikasa hanafika tobin’ny mpitandro ny filaminana ireo. Andaniny, mangataka ny mba hanaovana famotorana ny mahakasika ity tranga ity kosa ny fianakavian’ny maty. Raha tsorina ity resaka ity dia fampijaliana olona, famonoana olona faobe, fanamparam-pahefana, kolikoly avo lenta, resaka politika, fankahalana olona noho ny tondro molotra, sns,… (Torture, génocide, abus de fonction, corruption avolenta, haine, dénonciation calomnieuse, etc,…) tsotra izao, hoy izy ireo. Rehefa avy nalain’ireo andiana miaramila tany Miandrizaza dia nentina nanaovana « show up » namakivaky ny tanana ka nigagam-bahoaka ireto olona ireto fianakaviana iray ihany dia notifirina avy eo, izay nahitana an’i Avimana 80 taona, izay Raiben’ireto maty niaraka aminy, Bidy 20 taona, Tinay 15 taona, Digny 40 taona, Tsiazoa 30 taona, Mahataty 27 taona, Manahoazy 22 taona, Manakery 18 taona, hoy ny fanazavana. Avy nampijaliana, nodarodarohina, noampangaina fa mpimasy sy mpampiatrano dahalo no sady mitazona basy tsy ara-dalàna rehefa avy noentin’izy ireo naseho vahoaka namakivaky ny tananan’i Ikalamavony Ville, hoy hatrany ny loharanom-baovaon’ny fianankaviany. « Tsy nisy basy Gasy na Basy tsy ara-dalàna izany tamin’ireo fianakaviana ireo fa famonoana ankitsirano. Tsy voatery ho marina 100% anefa ireto fa anjaranareo no mitrandraka izany ifotony. Maty ny havanay notifirina fahatany rehefa nosoketaina hoe dahalo, nampiatrano dahalo, nitazona basy tsy nisy taratasy, ombiasa nitazona ody gasy mahery vaika. Tsy nanohitra ireo mpitandro filaminana ireo havanay ary tanampolo fa novonoina tsotra izao », hoy ny havan’izy ireo.
AMBADIKA POLITIKA ?
Milaza ihany koa ny havan’ny maty fa misy ambadika politika avo lenta ihany koa ity raharaha ity, dia volabe avy amin’ny fangoronana ireo ombin’olona, hanehoana sary fa tsy mandry fahalemana ny tany mba hanaratsiana ny depiote iray izay nahavita fanentanana saika isam-pokontany, nanentana ireo tovolahy sy olobe, lonaky, tangalamena, filohan-taribahy hananatra ny tovolahy tsy hanao dahalo intsony ka hamerina ireo basy tsy ara-dalàna rehetra amin’ny mpitandro filaminana fa tsy misy arakaraka ka nampandry ny tany nanomboka ny 2020, hanerena ny olona hifidy mpanao politika iray amin’ny fifidianana, fibodoana karieram-bato ao amin’ny Distrikan’Ikalamavony sy fangoronana tanimbary,… Andrasana ny mety ho setriny sy ny fanadihadiana lalina eo anatrehan’ity toe-javatra ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap