tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Fandriampahalemana

Fifamonoana tao Esira Raikitra ny savahao sy ny fisamborana

Taorian’ilay raharaha fifamonoan’ny andian’olona tany Esira ny sabotsy 04 febroary teo, raikitra ny bemidina nataon’ny Olom-panjakana nanomboka ny alahady teo,

07-févr-2023

Sample post image

notarihin’ny governoran’ny Faritra Anôsy Atoa Jocelyn Raharimbola sy ireo mpikambana ao anatin’ny OMC (Organe Mixte de Conception) avy any amin’ny faritra nahitana ny Fileovan’I Tolagnaro, Distrikan’Amboasary Atsimo, Fitsarana, Miaramila, Polisy, Zandary. Raha hiverenana, olona 6 no maty : 5 avy amin’ny fianakavian’Atoa Gervais (Besakoakely) niharan’ny fanafihana, 1 avy amin’ny fianakavian’Atoa Remena(Mitraiky) izay nanafika, am-polony hafa naratra avy amin’ny roa tonta. “Ampahafantarin’ny fitondram-panjakana anareo manomboka anio, fa tsy afaka manao izay tianareo ianareo fatsy maintsy manaraka ny lalàna. Baiko no omen’ny fitondram-panjakana ny mpitandro ny filaminana hisambotra izay nahavanon-doza. Tsy azo ekena, tsy mety ny fandatsahana ain’olona, fa tany misy Fanjakana”, ...”, hoy ny ampahan’ny fanambarana hentitra nataon’ireo Governora tamin’ireo vahoaka tao Esira. Nanamafy fa mila samborina ao anatin’ny fotoana farany izay haingana izay nahavanon-doza, tsy maintsy andraisana fepetra tsy ho ela ihany koa ny handaminana ny disadisam-piaraha-monina ao Esira ity, mba hisorohana ny tsy hiverenan’izany intsony amin’ny manaraka. Am-polony no efa voasambotra, ka misy ny ahiana ho nandray anjara mivantana tamin’ny fandatsahana aina, raha ny vaovao azo. Nifanindran-dalana tamin’io ny fitondrana ny teny fankaherezana avy tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana sy fitsapana alahelo ho an’ireo fianakavian’ny mana-manjo nataon’ireto Delegasiona ireto, ary fanolorana fanampiana vonjimaika (vary,fanitso) ho azy ireo. Ankoatry ny fandatsahana ain’olombelona mantsy dia nisy ihany koa ny fandorana trano miisa 12 sy fakana an-keriny ny fananan’ireo fianakaviana niharan’ny fanafihana, rah any tatitra. Nandritra ny dian’ireo manam-pahefana no namantarana sy nanadihadiana ny antony sy ny zava-misy marina, ka nahatonga izao fifamonoana feno habibiana izao. Eo ny fisamborana sy ny fampiharana ny lalàna ary ny famaizana, kanefa mety hampilamina ny olana sy ny disadisa izay mety mifamatotra amin’ny tantara, ny fomba, ny foko, fihaviana,… ve izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Asan-dahalo sy vono olona Lavon’ny balan’ny zandary i Iarisy
27-mars-2023

Maty ilay dahalo raindahiny antsoina hoe IARISY na Randrianarisoa Elysé, araka ny fampitam-baovaon’ny

Card image cap
Ambolitara Itaosy Tratra ilay rangahy mpivarotra sy mpamboly rongony
27-mars-2023

Mirongatra ny fivarotana sy fifohana zava-mahadomelina eny Itaosy sy ny manodidina. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony ireo mandray izany no sady tsy hanavahana toerana intsony ihany koa ny hifohany izany.

Card image cap
Arivonimamo Alain’ny jiolahy hatramin’ny trondro eny an-tanimbary
24-mars-2023

Mahatratra 18.000 Ar ka hatramin’ny 20.000 Ar amin’izao ny iray kilao amin’ny trondro eny an-tsena izany hoe : lafo noho ny hena.

Card image cap
Fisolokiana eny amin’ny cash point Nahazoana 5 tapitrisa Ar nananganana épicerie
24-mars-2023

Olona miisa telo, vehivavy ny roa 39 sy 21 taona, ary lehilahy 22 taona no nosamborin'ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany Anosy ny 21 martsa teo teny Ambondrona rehefa nisoloky.

Voir plus