airtel

Fandriampahalemana

14-sept-2026

Fifandonana mahery vaika

Dahalo miisa 4 lavon'ny vahoaka

Sample post image

Nitrangàna fanafihan-dahalo tao Ankarana,

14-sept-2026

distrikan'i Bekily, ny sabotsy teo, raha ny fampitàm-baovao voaray. Tonga tampoka toy ny varatra sy nanao tifitra variraraka tao Ankarana ireo dahalo miisa 40 teo ho eo, hoy ny fanazavàna. Nanomboka tamin'ny 4 ora maraina ny fifampitifirana ary naharitra ora maro. Nisy dahalo lavo izay fantatra anarana na solon'anarana toa an-dry Lava, lehiben-dahalo any Atsimo. Tao koa i Tsimotsoae. Nisy dahalo miisa 2 tsy fantatra anarana koa satria mpikarama an'ady. Ody mahery vaika no hita teny amin'izy ireo. Miantso ny tomponandraikitra mahefa sy mpitandro filaminana, noho izany ireo mponina mba hijery akaiky ny zava-misy sy hamonjy azy ireo. Efa nanafika ka nangalatra omby miisa 21 ireo jiolahy ny alahady 6 septambra teo. Mbola mampihorohoro ireo vahoaka indrayvtaorian'izay ka nilaza hoe mbola hanafika. Ny sabotsy teo amin'izay, araka izany, no nanafika ireo jiolahy ka maty ny 4 taminy rehefa namaly ny fanafihana ireo mponina. Nahazoana basy iray sy ody ratsy ireto dahalo na jiolahy nanafika tao Ankarana, kaominina Tanambao Tsirandrany, Distrika Bekily, ireto, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap
17-sept-2026

Novonoina vao nariana tao, famonoana efa nomanina »

Card image cap