ao amin'ny tobim-paritra Taolagnaro, miambina kizo ao amin'ny Fokontany Evatraha Kaominina Mandromondromotra Distrika Tolagnaro ny Talata 08 Septambra 2026 ny olon-dratsy telolahy nikasa hamono olona. Antso an-tariby avy amin'ny Fokontany no nahafahana nanara-maso sy nisambotra ireo olon-dratsy izay voalaza fa vahiny tsy fantatra mihaodihaody ao an-tanàna. Nitondra basy vita gasy iray sy zava-maranitra toy ny famaky ary antsy lava izy ireo. Ny fanadihadiana izay natao no nahafantarana fa saika hamono olona izy ireo saingy haingam-piasa ireo Zandary ka voasakana ara-potoana ny fikasan-dratsin'izy ireo. Olona iray monina ao Evatraha no notondroin'izy ireo ho mpaniraka. An-dalam-pikarohana io atidoha io ny Zandary ankehitriny. Aorian'ny famotorana dia hatolotra ny Fampanoavana izy ireo.
Nangonin'i Jean D.
Ireo olon-dratsy mitam-padiana nikasa hamono olona