airtel

Fandriampahalemana

10-mars-2025

Fandriampahalemana

FIKASANA HANGALA-JAZA Lehilahy iray nidoboka any Tsiafahy

Sample post image

Notanana am-ponja eny Tsiafahy ilay tovolahy iray taorian'ny nanaterana azy teny amin'ny fitsarana.

10-mars-2025

Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny alin'ny 05 Martsa teo tokony ho tamin'ny 8 sasany no nampandre ny mpitandro ny filaminana ao Alakamisy Fenoarivo ny fokonolona fa misy lehilahy mikasa hangalatra zazakely 4 taona eo akaikiny, zaza izay mbola miandry an-dReniny avy niasa ary nidina tao an-trano. Naniraka olona io tovolahy io nilaza fa tadiavin’ny dadany ilay zazakely 4 taona fa mila mivoaka ao an-tranony. Ny dadan’io zaza io anefa eo an-daniny tsy eto Madagasikara akory. Niverimberina ilay nirahina saingy tsy nety nivoaka ilay zaza no sady tsy nomen’ireo ankizy namany tao an-trano ihany koa. Rehefa nandeha ny fotoana dia ilay mpaniraka mihitsy no niditra teo am-bavahady haka ilay zaza kinanjo nidin’ny ankizy ny trano. Tonga tampoka ihany koa ny Renin’ilay zaza nandritra izany ka nifona avy hatrany io tovolahy io izay nibaboka avy hatrany fa aleo hilamina ny raharaha. Nomeny ilay Madama Renin’ilay zaza ihany koa ny findainy niampy lela-vola 3.000 Ar. Niantso zandary avy hatrany ilay tompon-janaka, ny fokonolona rahateo efa vory no sady nanala ny fony tamin’ny daroka….ka avotra ihany ilay ranamana izay voalaza fa efa jembin’ny toaka.
Pati
Legende : Potiky ny tsy fisainana kely foana ny fiainan’ity tovolahy ity !

 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap