Ny lanonana voalohany dia ny fisafidianana antokon-tafika ho an'ireo manambonihitra avy ao amin'ny andiany mivantana faha 43 misalotra ny anarana "60ème Anniversaire de l'Indépendance" sy ny avy ao amin'ny andiany manokana faha 25 mitondra ny anarana "Masova" izay vao nahavita fiofanana teo anivon'ny Akademia Miaramila. Ny faharoa dia ny fanolorana ny marika fahavitan'ny fiofanana "Commando" ho an'ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin'ny andiany mivantana faha 44 ary miaramila 23 mirahalahy eo anivon'ny " Bataillon Parachutiste". Ireo lanona ireo dia teo ambany fiahian'ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard, ary notarihin'ny Jeneraly Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika. Nanonotrona izany kosa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny Jeneraly mpandrindra Ankapobeny ny asa ara-stratejika eo anivon'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena izay nisolotena ny SEG niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra ambony eto anivon'ny Tafika. Hanampy ireo mpianatra ho manamboninahitra ireto bebe kokoa amin'ny fanatanterahana ny asa izay ataony eny anivon'ny vahoaka amin'ny fampanjakana ny fandriampahalemana ny fiofanana "Commando" izay narahan'izy ireo.
Nangonin'i Toky R
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy