Polisy manao ny fisafoana mandeha an-tongotra amin’iny faritra Fasan-karana sy ny manodidina iny no nahatsikaritra ity lehilahy iray ity hafahafa fihetsika. Mivarotra finday amin’ny olona izay mandalo eny no hataony ary ataony anaty « Chiffon Jaune » izany. Rehefa nanatona akaiky kokoa ny Polisy dia miisa roa ny fonosana « Chiffon jaune » teny amin’ity lehilahy ity ary fantatra fa biriky no ao anatin’ilay iray. Teo am-pamarotana ilay fonosana biriky mihitsy ity olon-dratsy ity no nosakanan’ny Polisy avy hatrany raha efa saika handositra. Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria Mahamasina ity lehilahy ity nanaovana fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa anisan’ireo mpamitaka olona amin’io asa ratsy io izy ka rehefa tena raikitra ny varotra dia hampifamadihany amin’ilay fonosana biriky ny finday tena izy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy sy ireo karazana finday roa hampiasainy hamitahany olona !
Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka DIANA ny vehivavy miisa telo afak’omaly 18 mey rehefa nividy lavanila maintso halatra.
Lehilahy, teratany Maorisianina iray 50 taona no saron’ny misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina Anosy teny Anosibe Angarangarana afak’omaly 17 Mey tokony ho tamin'ny 06 maraina rehefa nivarotra héroïne.