Nanomboka ny alakamisy herin’ny anio no voalaza fa nanesy nitety naka vola tamin’ireo cash point eny Avaradrano izy. Nanomboka teo Ankadikely ka hatrany Sabotsy Namehana, saingy tratra ihany noho ny farany, raha ny fanamarihana. Nasesiny notetezina nakana vola amin'ny alalan'ny Mobile Money ireo Cash point. Nisy nahatsikaritra anefa ny asa ratsiny ka tratra ihany. Efa nivondrona sy nametraka fitorina ihany koa ireo voasoloky. Isan’ny endrika isehoan’ity fisolokiana avo lenta ity ny hoe: fakana ny anarana “Mvola” na “Orange Money” na “Airtel Money” rehefa mandefa “message” izy. Mody maka vola, na manao “retrait”. Alainy ilay laharana hanaovana “retrait” avy eo “message” tsy izy no tonga ao amin’ilay “cash point”. Lasany ny vola dia mitsoaka izy, hoy ny fanamarihana, ary efa maro no lasibatra.
Toky R
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly