amin'ny tranombarotra iray tetsy Tsaralalana ny 03 May teo. Nentina nihazo ny Kaomisaria CSP 1 Analakely avy hatrany izy ireo taorian’izany. Raha ny fanadihadiana dia fantatra fa miisa 03 ny fitarainana azon'ny CSP1 nanomboka ny volana Aprily teo noho ny fisolokiana nataon'ireto olona voasambotra ireto. Fantatra ihany koa fe efa maherin'ny 84 000 000 Ariary ny vola efa azony tamin’ny fisolokiana. Manantona tranombarotra iray izy ireo, mifampiresaka amin’ny tompon’andraikitra ary mandresy lahatra, milaza fa mpivarotra ihany koa sady manana mpanjifa maro. Asehony avokoa ny porofo sandoka maha mpivarotra azy toy ny taratasin-ketra sy ny firaketana amin'ny maha orinasa ara-barotra izay sandoka ihany koa, ka raikitra ny fifandresen-dahatra. Mametraka « chèque » izy ireo ka rehefa tonga ny fe-potoana andoavana izany, manjavona ireto mpisoloky. Rehefa nohadihadiana anefa ilay cheque dia fantatra fa tsy misy anto-bola akory. Manoloana izany dia miantso ireo olona manan-draharaha amin'ireto olona ireto mba hanantona na hiantso avy hatrany ny Kaomisaria Boriborintany Voalohany Analakely ny Polisimpirenena hahafahana manohy ny fanadihadiana. Niakatra fitsarana omaly Talata izy mirahavavy ireto.
Pati
Legende : Ireto izy mirahavavy mpisoloky hikoizana eto an-drenivohitra !
Efa nisy teto ny hoe hala-jaza, mpaka fo, mpangalatra taolam-paty, mpaka an-keriny,
Mbola tsy nisy tranga nampalahelo sy nampivarahontsana tahaka ny namonoana
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,