airtel

Fandriampahalemana

17-août-2021

Fandriampahalemana

Fisolokiana « huile essentielle de vanille » Efa-dahy no tratra, an-tapitrisany ny vola efa azon’izy ireo

Sample post image

Efa misy tambazotra mpisoloky « huile essentielle de vanille » ihany koa eto amintsika. Mody misy miseho ho tambanivohitra ny iray mitondra ilay menaka hosoka ka manatona olona izay ho fandrihany.

17-août-2021

 Milaza ho tsy mahay miteny vazaha ity farany ary mitady olona afaka handika izany satria hono misy vazaha tokony handray ilay entana. Rehefa mahazo ilay mpandika teny izy dia milaza ilay mody vazaha ao amin'ny finday fa tsy maintsy atao « test » ilay entana. Misy olona iray hafa tondroin’ilay vazaha hanaovana ilay « test ». Ity farany no manaporofo aorian’izany fa amin'ilay kalitao tena tsara ilay menaka. Manomboka eo dia milaza tsy manam-bola mihitsy ilay milaza ho tambanivohitra mitondra ilay menaka no sady tsy ampy ihany koa ilay menaka ilain'ilay vazaha ka Mila manafatra izy. Mangataka vola amin'ilay olona ilay mpisoloky ka raha manome vola azy ilay olona dia sasahana izay tombom-barotra azo. Voafitaka araka izany izay sendra azy ireo fa misy an' ilay vazaha hividy sy handray ny menaka. Rehefa tonga indray ilay fotoana hihaonana amin'ilay vazaha dia milaza izy fa mbola tsy tonga any an-toerana noho ny lozam-pifamoivoizana mahazo azy any amin’ny lalam-pirenena ka mila manome vola an'ilay niharan-doza saingy euro avokoa ny aminy ka raha afaka mandefa vola ilay tompon'entana dia averiny avo roa heny izany rehefa tonga izy.Taitra noho io fampanantenana volabe io ilay mpandika teny ka roboka amin'ny fanomezam-bola indray. Rehefa tafasaraka amin'ireo mpisoloky moa ilay olona voasoloky vao tonga saina ka mampandre ny Polisy. Niroso tamin'ny fikarohana ny Sampandraharaha misahana ny fikarohana ny heloka ara-bola sy ara-toe-karena mahakasika izany ka lehilahy miisa 04 izay 26 taona, 29 taona,34 taona,ary 56 taona no tra-tehaka ny harivan’ny 10 aogositra lasa teo teny Ambanidia. Smy ati-doha nikotrika ity raharaha ity avokoa izy ireo. An-tapitrisany maro ny vola efa azon’izy ireo tamin'izany fisolokiana izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap