airtel

Fandriampahalemana

24-avril-2023

Fandriampahalemana

Fitsirihana tampoka sy fanisana gadra Saron’ny minisitra ny lesoka tao Antanimora

Sample post image

Vao nigadona teo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana,

24-avril-2023

dia nivantana tao amin'ny Fonjan' Antanimora, hoy ny fampitam-baovaon’io Minisitera io. Fitsidihana tampoka tsy nisy nahafantatra, araka ny tatitra. Nampitovy ny isa voalaza sy ny olona mbola ao am-ponja ny Minisitry ny Fitsarana, nandalo tsirairay teo anatrehany ireo voafonja, afaka namaly ny fanontaniana napetraka taminy ny tsirairay, tao anatin'izany ohatra ny fotoana nidirana sy ny antony ary ny dingana ara-pitsarana efa vita. Raha ny voasoratra ao anatin'ny boky dia miisa 4600 ny voafonja ao Antanimora. Nisy ny lesoka hitan'ny Minisitry ny Fitsarana izay nandraisany fanapahan-kevitra avy hatrany, ary nanomezany toromarika mazava ho an'ny Mpitantana ny Fonjan' Antanimora, hoy hatrany ny tatitry ny Minisiteran’ny fitsarana. Tsy araka ny isa nomena ve ny tena isan’ireo voafonja?Nambara fa io fomba fiasa io dia hanatevenana ny paikady entina manatsara ny tontolon'ny Fitsarana sy ny fitantanana ny Fonja eto Madagasikara, ady amin'ny kolikoly ary famerenana ny fahatokisan'ny Vahoaka ny Fitantanana ny raharaham-panjakana. Ankoatra ny fitsidihana tao antanimora moa dia, notoloran’ny minisitera fanafody famonoana bibikely ny fonjan’Antsiranana. Nambara, fa mametraka ho laharam-pahamehana ny fanajana ny zon' olombelona minisitra sy ny minisitera, ka ao anatin'izany ny fahadiovan' ny fonja sy ny fampitaovana azy, mba hanaraka ny fenitra ilaina, satria ao anatin'ny raharaham-panjakana havokoa izany. Tsara moa ny manamarika, fa mijery akaiky ny fanajana ny zon’ny voafonja eto Madagasikara ny Firenena Mikambana, ary raha tsy nisy ny fiovana dia nanomboka ny 16 aprily hatramin’ny 27 aprily no misy iraka manara-maso sy manadihady mikasika ny fampijaliana ny voafonja. Ny 2017 isika no nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny ady amin’ny fampijaliana ny voafonja.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap