airtel

Fandriampahalemana

26-avril-2023

Fandriampahalemana

Fivarotana rongony « Skunk » Lehilahy roa indray no tratra tetsy amin’ny By pass

Sample post image

Lehilahy miisa roa, 24 sy 29 taona no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy ny marainan’ny alahady 23 aprily teo tetsy amin’ny By Pass rehefa rongony mahery vaika na « Skunk ».

26-avril-2023

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo vaovao ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy fa misy olona mivarotra rongony mahery vaika na « Skunk » eny Imerintsiatosika. Natao ny vela-pandrika ka teny amin’ny By pass no fotoana hanaovana ny fifampivarotana. Lehilahy miisa roa no indray tonga teny an-toerana araka izany tamin’ny alahady teo. Avy hatrany dia nosamborina ry zareo, ka tamin’ny fisavana azy ireo dia nahatratrarana rongony mahery vaika na « Skunk » 20 fonosana izay milanja 62,56 grama teny amin’izy ireo. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy roalahy nanaovana fanadihadiana. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky izy ireo fa azy ireo rongony mahery vaika ireo. Efa ho telo volana no nivarotan’izy ireo Skunk ireo ka amin’ny alalan’ny Facebook sy antso an-tariby no hanaovana ny varotra. Fantatra fa avy any Ankadinondry sakay no fividianan’izy ireo ny Skunk hamidiny. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy ka naiditra am-ponja vonjimaika. 20.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar Tsiahivina moa fa tsy hanavahana sokajin-taona intsony ireo olona mandray sy mifoka zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika. Ho an’ny ankizy manokana dia mila vola 20.000 ka hatramin’ny 100.000 Ar isan’andro izy ireny mba hitsindromana sy hividianana ireny skunk sy cocaine ireny.

Ity ilay mpivarotra Skunk tratra teny amin’ny By pass
LASA MIANKIN-DOHA
Raha araka ny fijoroana vavolombelona nataona tovolahy kely iray dia mangovitra, tsy mahita torimaso no sady tsy mahavita na inona na inona izy raha vantany vao tsy mitsindrona io zava-mahadomelina io isan’andro. Ohatra ny lasa adaladala ihany koa ka mahatsiaro ho sambatra indraindray. Voatery mangalatra na mamono olona na koa manendaka izy ireny noho izany mba hividianana rongony, anisan’ny antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Rehefa tonga any amin’ny fetra farany ka mila fitsaboana kosa anefa ny olona iray diso miankin-doha amin’ny rongony dia fantatra fa mila vola hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar any ho any raha kely mba hitsaboany ny tenany. Hidina amina toerana iray mihitsy izy mandritra izany raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray mba tsy hitadiavany ilay rongony intsony. Arahin’ny fanohanana ara-tsaina izany mba hamerenana tsikelikely ny fiainany toy ny teo aloha. Tokony savaina Nambaran’ny mpitsabo ity araka izany fa any am-pelatanan’ny fanjakana sy ny mpitandro ny filaminana sisa ny baolina ho enti-miady amin’ity fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika ity. Ho an’ny mpitandro ny filaminana manokana, inona tokoa moa sakana tsyh isavana ny tanan'ny tsirairay amin'ity roro ity fa tsy handrazana hanaonao foana izy ireny vao mandray andraikitra ? Ny ampy taona avy hatrany dia alefaso eny Tsiafahy, ny tsy ampy taona kosa alefaso eny amin'ny Zaza maditra. Dia tereo ahnoro ny toerana hividianany izany izy mandritra izany dia ho foana eto amintsika io zava-mahadomelina io. Tsy sanatria baiko akory izany fa fiangaviana raha mety.

Savaina tsotra ohatra an’izao ny tanànan’ireo mpitsindrona dia raisim-potsiny izy ireny
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap